F I A R A H A B A N A
----------

Antony : 26 Jona 2009

 

Ry Havana,

Mitsingerina ity ny faha-26 Jona 2009, daty ankalazantsika ny Fetin’ny Fahaleovantena.

Miarahaba antsika jiaby eto Alemana, ianareo any Aotrisy, Danemark, Norvezy, Soeda, Finlande ary Islande nahatratra izany vanim-potoana malaza izany. Maro ireo mpiray tanindrazana, havana aman-tsakaiza, naniry ho tojo izany fankalazana ny tsingerintaona faha-49 izany. Nefa noho ny fandaharana tsy miankina amintsika dia efa lasa nandao ity tany fandalovana ity izy ireny.

Isika izay nahazo tombon’andro kosa dia manohy hatrany ny adidy aman’andraikitra iantsorohan’ny tsirairay avy. Mifalia, mahereza, Tompoko, fa ny „adidy tsy an’olon-dratsy“.

Iarahantsika mahita toy ny „tafika andrefan-tanàna“, ary iaraha-miaina ihany koa, ny zava-misy eo amin’ny Firenentsika ankehitriny. Manainga antsika tsirairay hivavaka ho an’ny :

„Nosindrazantsika
mba Hiadana sy ho Finaritra
ka ho sambatra tokoa“            (Hiram-pirenena malagasy)

ny Malagasy tsivakivolo : ny avy any Atsimo, ny Avaratra, ny Andrefana, ny Atsinanana ary ny Anivontany.

Mirary Fety Sambatra isam-pianakaviana sy isam-paritra onenanareo ary amim-pifaliana no Irariana ny Soa ho antsika rehetra, Tompoko.

 

Falkensee, faha-22 Jona 2009 

 

RALISON Alphonse

Ambasadaoro